FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 7:16, 17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Haharitra mandrakizay ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandrakizay ny seza fiandriananao.”’”+

      17 Noresahin’i Natana tamin’i Davida àry izany teny rehetra izany sy ilay fahitana manontolo.+

  • Salamo 72:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Haharitra mandrakizay anie ny anarany,+

      Ary hihamalaza anie izany raha mbola misy koa ny masoandro!

      Enga anie ny olona hahazo fitahiana amin’ny alalany,+

      Ary ny firenena rehetra hilaza hoe: “Sambatra izy!”

  • Isaia 11:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Hisy rantsana+ hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese,+

      Ary hisy tsimoka+ hipoitra avy amin’ny fakany ka hamoa.

  • Jeremia 23:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Henoy izao!”, hoy i Jehovah. “Ho avy ny andro hampipoirako tsimoka* marina+ ho an’i Davida. Hisy mpanjaka hitondra+ eo amin’ilay tany. Ho lalin-tsaina izy ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.+

  • Jaona 12:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Dia hoy ny vahoaka: “Henonay tao amin’ny Lalàna fa ho velona mandrakizay i Kristy.+ Koa ahoana no ilazanao hoe tsy maintsy asandratra ny Zanak’olona?+ Fa iza izany Zanak’olona izany?”

  • Apokalypsy 22:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 “‘Izaho Jesosy dia naniraka ny anjeliko hitory momba an’izany aminareo mba hahasoa ny fiangonana. Izaho no faka sy taranak’i Davida,+ ary izaho koa ilay kintan’ny maraina mamirapiratra.’”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara