FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 49:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tsy hiala amin’i Joda mihitsy ny tehim-panjakana,+ ary tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana, mandra-pahatongan’i Silo.*+ Dia hankatò an’i Silo ny firenena rehetra.+

  • 1 Mpanjaka 8:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Notanterahin’i Jehovah ny fampanantenana nataony, satria nandimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely, araka ny nampanantenain’i Jehovah. Nanao trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely koa aho.+

  • 1 Tantara 17:11-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “‘“Rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razambenao ianao, dia hotendreko ho mpanjaka handimby anao ny taranakao, dia ny iray amin’ny zanakao lahy.+ Ary hataoko mafy orina ny fanjakany.+ 12 Izy no hanorina trano ho ahy.+ Ary hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianany.+ 13 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako.+ Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mihitsy aho,+ fa tsy hanao hoatran’ny nataoko tamin’ilay talohanao.+ 14 Hataoko mipetraka eo amin’ny seza fiandrianako mandrakizay izy,+ ary haharitra mandrakizay ny fanjakany sy ny taranany.”’”+

  • Salamo 132:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Efa nianiana tamin’i Davida i Jehovah;

      Tsy hivadika amin’izao teniny izao mihitsy izy:

      “Ny iray amin’ny taranakao

      No hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao.+

  • Isaia 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Hitombo foana ny fahefany,* ka tsy hifarana mihitsy izany.

      Tsy hisy farany koa ny fiadanana+

      Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy ny fanjakany.

      Ho mafy orina+ izy io,

      Ary ny rariny+ sy ny hitsiny+ no hampaharitra azy,

      Manomboka izao ka ho mandrakizay.

      Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka an’izany.

  • Isaia 11:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Hisy rantsana+ hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese,+

      Ary hisy tsimoka+ hipoitra avy amin’ny fakany ka hamoa.

  • Matio 21:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Nisy vahoaka koa nandeha nialoha an’i Jesosy sy nanaraka tao aorianany, sady niantsoantso tsy an-kijanona hoe: “Mba vonjeo re ny Zanak’i Davida e!+ Hotahina anie ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!*+ Mba vonjeo re izy, ry any amin’ny avo indrindra ô!”+

  • Matio 22:42
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 42 “Ahoana ny hevitrareo momba an’i Kristy? Zanak’iza moa izy?” Dia hoy ireo taminy: “Zanak’i Davida.”+

  • Lioka 1:32, 33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Jaona 7:42
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 42 Ny Soratra Masina angaha moa tsy milaza hoe avy amin’ny taranak’i Davida i Kristy,+ sady avy any Betlehema,+ tanàna nisy an’i Davida?”+

  • Asan’ny Apostoly 2:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Mpaminany izy, ary fantany fa nianiana taminy Andriamanitra hoe ny iray amin’ny taranany no hapetrak’Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianany.+ Noho izany, dia

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara