-
1 Mpanjaka 9:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Dia hisy hilaza hoe: ‘Satria ry zareo niala tamin’i Jehovah Andriamaniny, izay nitondra ny razambeny nivoaka avy tany Ejipta, ary maimay erỳ nanaraka andriamani-kafa ka niankohoka teo anatrehan’ireny sady nanompo azy. Izany no nahatonga an’i Jehovah hamely azy ireo tamin’izao loza rehetra izao.’”+
-
-
1 Mpanjaka 16:30-33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mihoatra noho izay rehetra talohany,+ i Ahaba zanak’i Omry. 31 Hoatran’ny hoe tsy ampy azy ny nanao ny fahotana nataon’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, fa mbola nanambady an’i Jezebela+ zanakavavin’i Etibala mpanjakan’ny Sidonianina+ koa izy. Ary lasa nanompo an’i Bala+ izy ka niankohoka teo anatrehany. 32 Dia nanorina alitara ho an’i Bala izy, tao amin’ny tranon’i* Bala+ izay naoriny tao Samaria. 33 Nanamboatra tsato-kazo masina*+ koa izy. Nanao zavatra maro nampahatezitra an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely i Ahaba, mihoatra noho ny mpanjaka rehetran’ny Israely talohany.
-