-
1 Mpanjaka 12:28, 29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Rehefa avy nanontany an’ireo mpanolo-tsainy ny mpanjaka, dia nanamboatra zanak’omby+ volamena roa ary niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Sahirana be loatra ianareo miakatra any Jerosalema. Koa io ny Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!”+ 29 Dia napetrany tao Betela+ ny iray, ary tany Dana+ ny iray.
-
-
2 Mpanjaka 2:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Niakatra avy tany Jeriko i Elisa, ka nankany Betela. Rehefa teny an-dalana izy, dia nisy ankizilahy nivoaka avy ao an-tanàna ka naniratsira+ azy. Namerimberina niteny izy ireo hoe: “Miakara, ry ilay sola! Miakara, ry ilay sola!”
-