FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 14:21, 22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany.+ Ary nasian’i Jehovah rivo-mahery nitsoka avy any atsinanana, nandritra ny alina manontolo, ka nisintona ny ranomasina. Dia lasa tany maina ny fanambanin’ny ranomasina,+ ary nisaraka ny rano.+ 22 Koa nandeha tamin’ny tany maina namakivaky teo afovoan’ny ranomasina ny Israelita,+ ary toy ny manda teo ankavanany sy teo ankaviany ny rano.+

  • Josoa 3:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nijoro tsy nihetsika teo amin’ny tany maina,+ teo afovoan’i Jordana, ny mpisorona nilanja an’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah. Ny firenen’Israely manontolo kosa nandeha teo amin’ny tany maina,+ mandra-piampitan’izy rehetra an’i Jordana.

  • 2 Mpanjaka 2:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Avy eo dia nalainy ilay akanjona mpaminany+ nanaovan’i Elia, izay latsaka avy teny aminy. Dia niverin-dalana izy ka nijoro teo amoron’i Jordana. 14 Ary nalainy ilay akanjo nanaovan’i Elia, izay latsaka avy teny aminy, ka nokapohiny tamin’iny ilay rano sady niteny izy hoe: “Aiza i Jehovah Andriamanitr’i Elia?” Dia nisaraka roa ilay rano rehefa nokapohiny, ka niampita izy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara