-
1 Mpanjaka 12:28-30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Rehefa avy nanontany an’ireo mpanolo-tsainy ny mpanjaka, dia nanamboatra zanak’omby+ volamena roa ary niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Sahirana be loatra ianareo miakatra any Jerosalema. Koa io ny Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!”+ 29 Dia napetrany tao Betela+ ny iray, ary tany Dana+ ny iray. 30 Ary nahatonga ny vahoaka hanota izany,+ ka tonga hatrany Dana izy ireo mba hivavaka tamin’ilay zanak’omby.
-
-
1 Mpanjaka 21:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Mbola tsy nisy olona hoatran’i Ahaba+ mihitsy, satria tapa-kevitra* hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy noho ny fampirisihan’i Jezebela+ vadiny. 26 Nanao zavatra faran’izay nahatsiravina i Ahaba. Nanompo an’ireo sampy maharikoriko* izy, hoatran’ny nataon’ny Amorita izay noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny Israelita.’”+
-