32 Dia nisokatra* ny tany ka nitelina azy ireo sy ny ankohonany ary ny olona rehetra niaraka tamin’i Kora.+ Natelin’ny tany daholo koa ny fananan’ireo olona ireo.
10 Nisokatra* ny tany tamin’izay ka nitelina azy ireo. Fa i Kora kosa niara-maty tamin’ny mpanohana azy, rehefa nolevonin’ny afo izy 250 lahy.+ Koa lasa anatra ho an’ny hafa izy ireo.+11 Tsy maty kosa anefa ny zanakalahin’i Kora.+
11 Voa mafy izy ireny fa nanao hoatran’i Kaina,+ sady maimay hanao zavatra tsy mety toy ny nataon’i Balama+ mba hahazoana valisoa. Nanakiana an’izay manana fahefana ireny,+ toy ny nataon’i Kora,+ ka ho ringana koa.