FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 6:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Nirefy 20 hakiho ny lavan’ilay efitra anatiny indrindra, 20 hakiho ny sakany, ary 20 hakiho ny haavony.+ Dia nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony ilay izy, ary nopetahany hazo sedera ny alitara.+

  • 1 Mpanjaka 6:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Nanamboatra kerobima+ roa hatao ao amin’ny efitra anatiny indrindra izy. Hazo kesika* no nanaovany azy ireo, ary folo hakiho ny haavon’ny kerobima tsirairay.+

  • 1 Mpanjaka 8:6-9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia nentin’ny mpisorona ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, ka nataony teo amin’ny toerany,+ tao amin’ny efitra anatiny indrindra amin’ilay trano, tao amin’ny Masina Indrindra, teo ambany elatr’ireo kerobima.+

      7 Nivelatra teo ambonin’ny toerana nisy an’ilay Vata àry ny elatr’ireo kerobima, ka nanaloka an’ilay Vata sy ireo bao filanjana azy ny kerobima.+ 8 Lava be ireo bao+ ka tazana ny tendrony raha avy eo amin’ny Masina, eo anoloan’ny efitra anatiny indrindra. Tsy tazana avy any ivelany kosa ireo bao ireo. Ary mbola ao ireo hatramin’izao. 9 Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vata, afa-tsy ireo takela-bato+ roa napetrak’i Mosesy tao,+ tany Horeba, rehefa nanao fifanekena tamin’ny vahoakan’Israely i Jehovah,+ tamin’izy ireo nivoaka avy tany Ejipta.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara