-
Josoa 11:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia nivoaka izy ireo sy ny tafiny rehetra, dia olona maro be hoatran’ny fasika eny amoron-dranomasina, niaraka tamin’ny soavaly sy kalesy be dia be fitondra miady.
-
-
2 Tantara 32:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Manàna herim-po ary mahereza! Aza matahotra na mihorohoro noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria+ sy ireo olona be dia be miaraka aminy ireo. Fa betsaka ny miaraka amintsika noho ny miaraka aminy.+ 8 Herin’olombelona* no ianteherany, fa i Jehovah Andriamanitsika kosa no ianteherantsika mba hanampy antsika sy hiady ho antsika.”+ Dia nankahery ny vahoaka ny tenin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda.+
-