-
2 Mpanjaka 11:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Nasain’i Joiada nanao fifanekena tamin’i Jehovah avy eo ny mpanjaka sy ny vahoaka+ hoe ho vahoakan’i Jehovah foana izy ireo. Nasainy nanao fifanekena tamin’ny mpanjaka koa ny vahoaka.+ 18 Nankany amin’ny tranon’i* Bala ny vahoaka manontolo taorian’izay, ka narodan’izy ireo ny alitarany+ ary nopotipotehiny tanteraka ny sariny.+ Novonoin’izy ireo teo anoloan’ny alitara koa i Matana mpisoron’i Bala.+
Dia nanendry mpiandraikitra hikarakara ny tranon’i Jehovah+ ny mpisorona.
-
-
2 Tantara 34:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Nijoro teo amin’ny toerany ny mpanjaka, ary nanao* fifanekena+ teo anatrehan’i Jehovah hoe hankatò an’i Jehovah sady hanaraka ny didiny sy ny fampahatsiahivany ary ny fitsipiny amin’ny fony manontolo sy ny tenany manontolo,+ ka hanatanteraka an’izay voalazan’ilay fifanekena voasoratra tao amin’ilay boky.+
-