-
Josoa 9:18-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Tsy nanafika azy ireo anefa ny Israelita, satria ny mpiadidy vahoaka efa nanao fianianana tamin’izy ireo tamin’ny anaran’i Jehovah+ Andriamanitry ny Israely. Koa nimenomenona tamin’ny mpiadidy ny vahoaka manontolo. 19 Dia hoy ny mpiadidy rehetra tamin’ny vahoaka manontolo: “Tsy mahazo mamely an-dry zareo isika, satria izahay efa nianiana tamin’izy ireo tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. 20 Fa izao no hataontsika: Tsy hovonointsika ry zareo, mba tsy ho tezitra amintsika Andriamanitra noho ilay fianianana nataonay tamin’izy ireo.”+
-
-
Mpitsara 11:34, 35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Farany, dia tonga tany an-tranony tao Mizpa+ i Jefta. Ary iny fa nivoaka hitsena azy ny zanany vavy, sady nively ampongatapaka no nandihy. Io ihany ny zanany, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy. 35 Rehefa nahita azy i Jefta, dia nandrovitra ny akanjony sady nilaza hoe: “Indrisy, ry zanako vavy! Malahelo be ny foko* satria ianao indray ity no noroahiko. Fa efa nivoady* tamin’i Jehovah aho, ka tsy afaka mivadika amin’ny teniko.”+
-
-
Salamo 50:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Fisaorana no atolory ho sorona ho an’Andriamanitra,+
Ary tanteraho ny voady nataonao tamin’ny Avo Indrindra;+
-