-
Nomery 21:21-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Ary naniraka olona nankany amin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita ny Israely, hiteny hoe:+ 22 “Avelao izahay handalo ao amin’ny taninao. Tsy hivily ho eny amin’ny saha na tanimboaloboka izahay, sady tsy hisotro rano amin’izay lavadrano ao. Fa ny Lalan’ny Mpanjaka no handehananay, mandra-pahatafavoakanay ny taninao.”+ 23 Tsy navelan’i Sihona handalo tao amin’ny taniny anefa ny Israely. Nangoniny daholo kosa ny vahoakany, dia nivoaka hiady tamin’ny Israely tany an-tany efitra izy. Ary tonga tao Jahaza izy ka niady tamin’ny Israely.+ 24 Resin’ny Israely anefa izy ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mponina tao.+ Dia nalain’ny Israely ny taniny,+ hatrany Arnona+ ka hatrany Jaboka,+ teo akaikin’ny Amonita. I Jazera+ mantsy no sisin-tanin’ny Amonita.+
-