-
Mpitoriteny 2:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Lasa halako ny zavatra rehetra nisasarako tetỳ ambanin’ny masoandro,+ satria tsy maintsy avelako ho an’izay olona handimby ahy.+ 19 Ary iza no mahalala raha ho hendry izany olona izany na ho adala?+ Izaho no nikely aina niasa mafy sady nampiasa ny fahendreko rehetra, nefa dia izy no hanjaka amin’ny zavatra rehetra azoko tetỳ ambanin’ny masoandro. Tsisy dikany koa izany.
-
-
Mpitoriteny 4:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Misy olona irery sady tsy mba mana-namana. Tsy mba manan-janaka na rahalahy koa izy, nefa tsy misy farany ny asa mafy ataony. Tsy mety afa-po amin’ny harena mihitsy ny masony.+ Mba mieritreritra anefa ve izy hoe: ‘Ho an’iza moa no iasako mafy hoatr’izao? Ary ho an’iza no mahatonga ahy hihafy sy tsy hankafy zavatra tsara’?+ Tsisy dikany koa izany sady asa mampahory.+
-