FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 11:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Koa naniraka olona haka an’ilay vehivavy i Davida,+ ka tonga tao aminy izy. Dia nanao firaisana taminy i Davida.+ Mbola tao anatin’ny fotoana nidiovany tamin’ny fahalotoany*+ anefa ilay vehivavy tamin’izay. Lasa nody tany an-tranony izy avy eo.

  • 2 Samoela 12:10, 11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Noho izany, dia hisy ho fatin’ny sabatra foana ao amin’ny ankohonanao,+ satria nanao tsinontsinona ahy ianao rehefa naka ny vadin’i Oria Hetita ho vadinao.’ 11 Izao no lazain’i Jehovah: ‘Hahatonga loza ho anao avy ao amin’ny ankohonanao+ ihany aho. Ary halaiko eo imasonao ireo vadinao, ka homeko ho an’ny lehilahy hafa.*+ Dia hanao firaisana amin’izy ireo amin’ny antoandrobenanahary*+ izy.

  • Ohabolana 6:32-35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Tsy ampy saina* izay manitsakitsa-bady ka mijangajanga amin’ny vehivavy.

      Manimba tena izay manao an’izany.+

      33 Haradratra sy ho afa-baraka izy,+

      Ary ho ratsy laza eny foana.+

      34 Fa ny fahasarotam-piaro no mahatonga ny lehilahy ho tezitra mafy,

      Ary tsy hamindra fo mihitsy izy rehefa mamaly faty.+

      35 Tsy hanaiky handray onitra* izy,

      Sady tsy hilefitra mihitsy, na dia omenao fanomezana lafo vidy aza.

  • Hebreo 13:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara