FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 2:22-25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Efa antitra be i Ely, ary efa henony daholo ny zavatra nataon’ny zanany lahy+ tamin’ny Israely rehetra. Henony koa hoe nanao firaisana tamin’ireo vehivavy nanompo teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana+ izy ireo. 23 Izao foana no noteneniny tamin’ireo zanany ireo: “Fa maninona ianareo no manao an’izany foana? Ratsy ny zavatra henoko resahin’ny olon-drehetra momba anareo. 24 Tsy tsara mihitsy, anaka, ny zavatra henoko resadresahin’ny vahoakan’i Jehovah momba anareo. 25 Raha misy olona manota amin’ny olona anankiray, dia mbola misy olona afaka mangataka amin’i Jehovah mba hanampy azy.* Fa raha amin’i Jehovah kosa ny olona iray no manota,+ dia iza no hivavaka ho azy?” Tsy nety nihaino an-drainy anefa izy ireo, satria i Jehovah efa tapa-kevitra ny hamono azy ireo ho faty.+

  • 1 Samoela 8:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Rehefa antitra i Samoela, dia notendreny ho mpitsaran’ny Israely ireo zanany lahy. 2 Joela no anaran’ny zanany lahimatoa, ary Abia+ kosa no anaran’ny faharoa. Mpitsara tao Beri-sheba izy ireo. 3 Tsy mba nanao hoatran’ny nataony anefa ireo zanany ireo. Nanao ny tsy marina izy ireo mba hahazoana tombony,+ nandray kolikoly,+ ary nanao fitsarana miangatra.+

  • 2 Samoela 15:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Tonga dia hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra niaraka taminy tao Jerosalema: “Andao handositra,+ fa tsy hisy ho afa-miala amin’i Absaloma isika! Andao haingana sao dia ho tratrany eto isika dia hataony mahita faisana, ary hasiany amin’ny sabatra ny tanàna!”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara