FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ohabolana 6:6-11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay kamo,+

      Ary diniho ny fanaony ka mba hendre.

       7 Na dia tsy manana mpitondra na mpiadidy na mpitarika aza izy,

       8 Dia manangona sakafo rehefa fahavaratra,+

      Ary manangona hanina rehefa fotoam-pijinjana.

       9 Mandra-pahoviana ianao, ry ilay kamo, no mbola hatory?

      Rahoviana ianao vao hifoha amin’ny torimasonao?

      10 Raha mbola hatory kely ihany ianao, mbola ho rendremana kely ihany,

      Ary mbola haka aina* kely ihany,+

      11 Dia ho avy tampoka hoatran’ny mpangalatra ny fahantranao,

      Ary ho tonga tampoka hoatran’ny lehilahy mitondra fiadiana ny fahasahirananao.+

  • Ohabolana 13:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Betsaka ny zavatra irin’ny kamo, nefa mbola tsy manana na inona na inona ihany izy,+

      Fa ho tanteraka daholo kosa izay irin’ny* mazoto.+

  • Ohabolana 19:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Mangarona ny ao anaty vilia baolina ny kamo,

      Nefa na ny hampakatra an’ilay tanany ho ao am-bavany aza mahakamo azy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara