-
Nomery 20:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia novorin’i Mosesy sy Arona teo alohan’ilay vatolampy ny fiangonana, ka hoy izy: “Henoy izao, ry mpikomy! Angaha izahay tsy maintsy mamoaka rano ho anareo avy ato amin’ity vatolampy ity?”+
-
-
Nomery 20:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: “Satria ianareo tsy naneho finoana ahy sady tsy nanamasina ahy teo imason’ny vahoakan’Israely, dia tsy hitondra an’ity fiangonana ity hiditra ao amin’ilay tany homeko azy ianareo.”+
-
-
2 Samoela 12:9-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Koa naninona ianao no nanao tsinontsinona ny tenin’i Jehovah, ka nanao izay ratsy teo imasony? Nasianao tamin’ny sabatra+ i Oria Hetita! Dia nalainao ho vadinao ny vadiny,+ rehefa avy novonoinao tamin’ny sabatry ny Amonita izy.+ 10 Noho izany, dia hisy ho fatin’ny sabatra foana ao amin’ny ankohonanao,+ satria nanao tsinontsinona ahy ianao rehefa naka ny vadin’i Oria Hetita ho vadinao.’ 11 Izao no lazain’i Jehovah: ‘Hahatonga loza ho anao avy ao amin’ny ankohonanao+ ihany aho. Ary halaiko eo imasonao ireo vadinao, ka homeko ho an’ny lehilahy hafa.*+ Dia hanao firaisana amin’izy ireo amin’ny antoandrobenanahary*+ izy.
-