-
Deoteronomia 31:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Efa ho faty* ianao izao, dia hanomboka hivaro-tena* amin’ny andriamani-kafa manodidina azy ity vahoaka ity, any amin’ilay tany halehany.+ Ary hahafoy ahy izy ireo,+ ka hivadika amin’ilay fifanekena nataoko taminy.+ 17 Dia ho tezitra be amin-dry zareo aho,+ ka hafoiko izy ireo.+ Handao an-dry zareo* aho+ mandra-paharipaka azy ireo. Rehefa tratran’ny loza be dia be sy mijalijaly izy ireo any aoriana any,+ dia hiteny hoe: ‘Tsy eto amintsika ny Andriamanitsika, koa aiza moa isika no tsy ho tratran’izao loza izao?’+
-
-
2 Tantara 36:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany. 16 Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.
-