FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 7:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Izao tenenina amin’i Davida mpanompoko: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Naka anao avy teny amin’ny kijana teny am-piandrasana ondry+ aho mba ho mpitarika ny Israely vahoakako.+

  • 2 Samoela 7:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Haharitra mandrakizay ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandrakizay ny seza fiandriananao.”’”+

  • 2 Samoela 23:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Tsy toy izany ve ny ankohonako, eo anatrehan’Andriamanitra?

      Nanao fifanekena mandrakizay+ tamiko mantsy izy,

      Dia fifanekena efa voaomana tsara sady azo antoka.

      Tena mamonjy ahy mantsy io fifanekena io sady tena mahafinaritra ahy,

      Koa tsy izany ve no mahatonga azy hampiroborobo ny ankohonako?+

  • Salamo 89:28, 29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mandrakizay aho,+

      Ary hanan-kery foana ny fifanekena nataoko taminy.+

      29 Hataoko maharitra mandrakizay ny taranany,

      Ary haharitra toy ny lanitra ny seza fiandrianany.+

  • Jeremia 33:25, 26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Tsy hanova ny fifanekena nataoko momba ny andro sy ny alina aho,+ ary tsy hanova ny lalàna* mifehy ny lanitra sy ny tany.+ Dia hoatr’izany koa 26 fa tsy hanary ny taranak’i Jakoba sy Davida mpanompoko mihitsy aho. Koa hifidy olona avy amin’ny taranany foana aho, mba ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Hangoniko mantsy izay taranany lasa babo+ ka hiantrako.’”+

  • Asan’ny Apostoly 13:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Natsangany tamin’ny maty tokoa izy mba tsy ho lo intsony, araka ny nolazainy hoe: ‘Ho tia anareo aho ary tsy hivadika aminareo araka ny nampanantenaiko an’i Davida. Ary azo itokisana* izany fampanantenana izany.’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara