-
Jeremia 23:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika:
“Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany milaza faminaniana aminareo.+
Mamitaka* anareo fotsiny izy ireo.
17 Izao no averimberiny amin’ireo tsy manaja ahy:
‘Izao no lazain’i Jehovah: “Hiadana ianareo.”’+
Ary izay rehetra mikiry manao izay tian’ny fony kosa ataony hoe:
‘Tsy hisy loza hanjo anareo.’+
-
-
Ezekiela 13:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Tsy fahitana sandoka ve no hitanareo, ary tsy naminany lainga ve ianareo, tamin’ianareo niteny hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah’, nefa izaho tsy niteny na inona na inona akory?”’
-
-
Mika 2:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Raha misy olona manaonao foana sy mamitaka ka mandainga hoe:
“Momba ny divay sy ny toaka no hotoriko aminao”,
Dia zavatra mahafinaritra ny olona fotsiny no hotoriny.+
-