FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:49, 50
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 49 “Hisy firenena avy any lavitra, avy any amin’ny faran’ny tany,+ hampirisihin’i Jehovah hiady aminao. Hifaoka tampoka toy ny voromahery ilay firenena.+ Fiteny tsy ho azonao no ampiasainy,+ 50 ary masiaka be ny endriny ka tsy hiantrany ny antitra sady tsy horaharahiany ny tanora.+

  • Jeremia 4:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ho avy toy ny rahona mainty ny fahavalo,

      Ary toy ny tafio-drivotra ireo kalesiny.+

      Haingam-pandeha noho ny voromahery ny soavaliny.+

      Idiran-doza isika fa ringana!

  • Fitomaniana 4:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ny lanitra ny mpanenjika anay.+

      Nanenjika anay teny an-tendrombohitra izy ireo, ary niafina tany an-tany efitra mba hanafika anay.

  • Habakoka 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Fa hampiasa* ny Kaldeanina aho,+

      Dia ilay firenena tsy mifaditrovana sady maimaika hanao zavatra.

      Mitety toerana midadasika eny ambonin’ny tany izy ireo,

      Mba haka fonenana tsy azy.+

  • Habakoka 1:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Haingam-pandeha noho ny leopara ny soavalin’izy ireo,

      Ary masiaka noho ny amboadia amin’ny alina ny mpitaingin-tsoavaliny.+

      Mihazakazaka ny soavaly fitondrany miady,

      Ary avy lavitra ny soavaliny.

      Misidina hoatran’ny voromahery handeha hifaoka ny hazany izy ireo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara