-
Deoteronomia 28:49-51Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
49 “Hisy firenena avy any lavitra, avy any amin’ny faran’ny tany,+ hampirisihin’i Jehovah hiady aminao. Hifaoka tampoka toy ny voromahery ilay firenena.+ Fiteny tsy ho azonao no ampiasainy,+ 50 ary masiaka be ny endriny ka tsy hiantrany ny antitra sady tsy horaharahiany ny tanora.+ 51 Hohanin’izy ireo ny zanaky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao, mandra-pahalany ringana anao. Tsy hisy havelany ho anao na varimbazaha, na divay vaovao, na menaka, na zanak’omby, na zanak’ondry, mandra-pandringany tanteraka anao.+
-
-
Jeremia 5:15-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “Koa hisy firenena avy any lavitra hoentiko hamely anareo, ry taranak’Israely”,+ hoy i Jehovah.
“Firenena efa nisy hatry ny ela izany,
16 Toy ny fasana misokatra ny tranon-jana-tsipìkany;
Miaramila izy rehetra.
17 Haripany ny vokatrao sy ny mofonao.+
Haripany ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy.
Haripany ny omby aman’ondrinao.
Haripany ny voalobokao sy ny aviavinao.
Dia horavany amin’ny sabatra ny tanàna voaro mafy itokisanao.”
-
-
Jeremia 6:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Izao no tenin’i Jehovah:
“Hisy vahoaka ho tonga avy any amin’ilay tany any avaratra,
Ary hisy firenena lehibe hofohazina avy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.+
23 Hitazona tsipìka sy lefom-pohy izy ireo.
Masiaka be izy ireo ka tsy hiantra.
Midoboka toy ny ranomasina ny feony,
Ary mitaingin-tsoavaly izy ireo.+
Milahatra toy ny lehilahy mpiady izy mba hanafika anao, ry Ziona zanakavavy ô!”
-
-
Ezekiela 23:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 “Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony aminao, ry Oholiba: ‘Hoentaniko ireny lehilahy niarahanao ireny,+ dia ireo nialanao satria nahatofoka anao. Hoentiko hanafika anao avy any amin’ny vazan-tany efatra ireny,+ 23 dia ny Babylonianina+ sy ny Kaldeanina+ rehetra, ny miaramilan’i Pekoda+ sy Soa ary Koa, miaraka amin’ny Asyrianina rehetra. Tovolahy tsara tarehy daholo izy rehetra, sady governora, solontenam-panjakana, miaramila, ary lehilahy voafantina* mitaingin-tsoavaly daholo.
-