FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 1:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Fa ‘hiantso ny foko rehetra ao amin’ireo fanjakana any avaratra aho’, hoy i Jehovah.+

      ‘Dia ho avy izy ireo, ka samy hametraka ny seza fiandrianany

      Eo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Jerosalema.+

      Hamely ny mandany rehetra manodidina

      Sy ny tanàna rehetra any Joda+ izy ireo.

  • Jeremia 4:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ampandreneso an’ireo firenena izany.

      Ambarao amin’i Jerosalema izany.”

      “Misy mpitily* tonga avy any an-tany lavitra.

      Hihorakoraka hamely ny tanànan’i Joda izy ireny.

  • Jeremia 25:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Hampanantsoiko i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko.+ Hoentiko izy ireo ka hiady amin’ity tany ity+ sy ny mponina eto, ary amin’ireo firenena rehetra manodidina ireo.+ Dia haringako tanteraka ireo rehetra ireo ka hataoko mihorohoro sy misioka ny olona noho izay hanjo azy. Ary ho rava mandrakizay izy rehetra.

  • Ezekiela 7:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Firenena faran’izay ratsy fanahy no hoentiko any amin’izy ireo,+ ka ho lasan’ireny ny tranony.+ Hataoko tsy afaka mirehareha intsony izay matanjaka, ary hozimbazimbaina ny toerany masina.+

  • Habakoka 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Fa hampiasa* ny Kaldeanina aho,+

      Dia ilay firenena tsy mifaditrovana sady maimaika hanao zavatra.

      Mitety toerana midadasika eny ambonin’ny tany izy ireo,

      Mba haka fonenana tsy azy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara