FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:48-51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 48 Halefan’i Jehovah hiady aminao ny fahavalonao, dia hanompo an’ireny ianao+ nefa ianao noana+ sy mangetaheta, sady zara raha mitafy sy tsy manana na inona na inona. Ary hasiany zioga vy eo amin’ny vozonao, mandra-pandringany tanteraka anao.

      49 “Hisy firenena avy any lavitra, avy any amin’ny faran’ny tany,+ hampirisihin’i Jehovah hiady aminao. Hifaoka tampoka toy ny voromahery ilay firenena.+ Fiteny tsy ho azonao no ampiasainy,+ 50 ary masiaka be ny endriny ka tsy hiantrany ny antitra sady tsy horaharahiany ny tanora.+ 51 Hohanin’izy ireo ny zanaky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao, mandra-pahalany ringana anao. Tsy hisy havelany ho anao na varimbazaha, na divay vaovao, na menaka, na zanak’omby, na zanak’ondry, mandra-pandringany tanteraka anao.+

  • Ezekiela 21:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Hanamparako ny hatezerako ianao. Dia hotsofiko handoro anao hoatran’ny afo ny hatezerako, ka hataoko resin’ny olona mahery setra ianao, dia olona tena mahay mandringana.+

  • Habakoka 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Fa hampiasa* ny Kaldeanina aho,+

      Dia ilay firenena tsy mifaditrovana sady maimaika hanao zavatra.

      Mitety toerana midadasika eny ambonin’ny tany izy ireo,

      Mba haka fonenana tsy azy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara