FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 18:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia Mpanjaka, dia niakatra hanafika an’ireo tanàna voaro mafy rehetra tany Joda i Sankeriba mpanjakan’i Asyria,+ ka resiny ireny.+

  • 2 Tantara 32:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Nasehon’i Hezekia tamin’izany rehetra izany fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy.+ Taorian’izay, dia tonga i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, ka notafihiny ny tanin’i Joda. Nataony fahirano ireo tanàna voaro mafy, satria tiany hogorobahana ny mandan’ireny tanàna ireny, sady tiany halaina ireny.+

  • Isaia 8:7, 8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Dia hampiakarin’i Jehovah hamely azy

      Ny mpanjakan’i Asyria+ sy ny voninahiny rehetra.

      Hoatran’ny rano be mikoriana mafy avy any amin’ny Renirano* izy,

      Ary ho tondraka be,

      Ka hihoatra ny morony rehetra ny rano,

       8 Dia hibosesika eran’i Joda.

      Hiakatra be izy ary hiparitaka, ka hisondrotra hatreny amin’ny vozona.+

      Handrakotra ny sakan’ny taninao ny elany rehefa mivelatra,

      Ry Imanoela ô!”*+

  • Isaia 10:28-32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Tonga ao Aiata+ i Asyria,

      Ary mandalo an’i Migrona.

      Dia apetrany ao Mikmasy+ ny entany.

      29 Ary mandeha eo amin’ny toerana fiampitana izy,

      Ka matory ao Geba.+

      Mihorohoro i Rama, ary mandositra i Gibea+ tanànan’i Saoly.+

      30 Manaova antsoantso sy kiakiaka mafy, ry zanakavavin’i Galima!

      Mihainoa, ry Laisy

      Sy Anatota,+ izay mampalahelo!

      31 Mandositra i Madmena,

      Ary mitady fialofana ny mponin’i Gebima.

      32 Hijanona ao Noba+ i Asyria amin’izay andro izay.

      Hambanany totohondry ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy,

      Dia ilay havoanan’i Jerosalema.

  • Isaia 33:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Tsy misy olona intsony eny an-dalambe,

      Ary tsy misy mpandeha intsony eny an-dalana.

      Nivadika tamin’ny fifanekena ny fahavalo,

      Sady nanambany an’ireo tanàna,

      Ary tsy miraharaha olona.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara