FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 28:19, 20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Fa nataon’i Jehovah nietry ny Joda noho ny nataon’i Ahaza mpanjakan’ny Israely. Navelan’i Ahaza hanaram-po hanao ratsy mantsy ny Joda, ka tena nivadika tamin’i Jehovah.

      20 Tamin’ny farany, dia nanafika azy i Tilgato-pilnesera+ mpanjakan’i Asyria, ka nampijaly azy+ fa tsy nanampy azy akory.

  • Isaia 7:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary hataon’i Jehovah mahita fotoan-tsarotra ianao sy ny vahoakanao ary ny ankohonan-drainao, dia fotoan-tsarotra mbola tsy nisy hoatr’izany, hatramin’ny fotoana nisarahan’i Efraima tamin’i Joda ka hatramin’izao.+ Hoentiny eto mantsy ny mpanjakan’i Asyria.+

  • Isaia 7:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “Amin’izany andro izany, dia hareza nohofana avy any amin’ny faritry ny Renirano,* izany hoe ny mpanjakan’i Asyria,+ no hampiasain’i Jehovah hikakasana ny loha sy ny volon-tongotra, ary hanesorana tanteraka ny volombava.

  • Isaia 10:28-32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Tonga ao Aiata+ i Asyria,

      Ary mandalo an’i Migrona.

      Dia apetrany ao Mikmasy+ ny entany.

      29 Ary mandeha eo amin’ny toerana fiampitana izy,

      Ka matory ao Geba.+

      Mihorohoro i Rama, ary mandositra i Gibea+ tanànan’i Saoly.+

      30 Manaova antsoantso sy kiakiaka mafy, ry zanakavavin’i Galima!

      Mihainoa, ry Laisy

      Sy Anatota,+ izay mampalahelo!

      31 Mandositra i Madmena,

      Ary mitady fialofana ny mponin’i Gebima.

      32 Hijanona ao Noba+ i Asyria amin’izay andro izay.

      Hambanany totohondry ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy,

      Dia ilay havoanan’i Jerosalema.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara