-
Jeremia 32:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Ary nomeko an’i Baroka+ zanak’i Neria,+ zanak’i Mahaseia, ilay taratasy fifampivarotana. Nomeko azy teo anatrehan’i Hanamela zanaky ny rahalahin-draiko ilay izy, sy teo anatrehan’ireo vavolombelona nanoratra tao amin’ilay taratasy, ary teo anatrehan’ny Jiosy rehetra nipetraka teo amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina.+
-
-
Jeremia 45:2-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba anao, ry Baroka: 3 ‘Niteny ianao hoe: “Idiran-doza aho ity fa nampian’i Jehovah alahelo ny fijaliako! Reraky ny mitaraina aho sady tsy mba mety milamin-tsaina.”’
4 “Koa lazao amin’i Baroka hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia ilay tany manontolo.+ 5 Ianao anefa mitady* zavatra lehibe ho anao. Aza mitady an’izany intsony.”’
“‘Fa hahatonga loza amin’ny olona* rehetra+ aho’, hoy i Jehovah, ‘nefa homeko ho babonao* kosa ny ainao,+ na aiza na aiza halehanao.’”
-