FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 23:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Dia hangoniko avy any amin’ny tany rehetra nanaparitahako azy ny ondriko sisa,+ ka haveriko ao amin’ny kijanany.+ Ho maro anaka sy hihabetsaka izy ireo.+

  • Jeremia 23:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Hovonjena ny Joda+ ary hilamina ny tanin’ny Israely+ amin’ny androny. Ary izao no anarana hiantsoana azy: I Jehovah no Fahamarinantsika.”+

  • Jeremia 30:10, 11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko”, hoy i Jehovah,

      “Ary aza mihorohoro, ry Israely ô!+

      Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao,

      Ary ny taranakao hovonjeko avy any amin’ny tany nahababo azy.+

      Dia hiverina i Jakoba, ka hilamina sy tsy hisy hanakorontana.

      Tsy hisy hampatahotra azy ireo.”+

      11 “Fa ho eo foana aho mba hamonjy anao”, hoy i Jehovah,

      “Haripako kosa ny firenena rehetra nanaparitahako anao.+

      Ianao anefa tsy mba haripako.+

      Hanariko* araka ny antonony ianao,

      Ary tsy havelako ho afa-maina fotsiny fa hosaziko.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara