Isaia 30:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Hoy izy ireo amin’ny mpahita: ‘Aza mijery’, Ary amin’ny mpahita fahitana hoe: ‘Aza milaza fahitana marina aminay.+ Fa teny fandokafana* no lazao aminay, ary zavatra mamitaka no jereo ao amin’ny fahitana.+ Jeremia 5:31 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 31 Maminany lainga ny mpaminany,+Ary manampatra fahefana ny mpisorona. Dia tian’ny vahoakako erỳ izany!+ Koa ahoana no hataonareo rehefa tonga ny farany?” Jeremia 14:14 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 14 Dia niteny tamiko i Jehovah hoe: “Maminany lainga amin’ny anarako ireo mpaminany ireo.+ Tsy naniraka azy ireo aho na nanome didy azy na niresaka taminy.+ Tsy marina ny fahitana azony, tsy misy dikany ny sikidy ataony, ary fitaka foromporonin’ny sainy* ny faminaniana resahiny aminareo.+
10 Hoy izy ireo amin’ny mpahita: ‘Aza mijery’, Ary amin’ny mpahita fahitana hoe: ‘Aza milaza fahitana marina aminay.+ Fa teny fandokafana* no lazao aminay, ary zavatra mamitaka no jereo ao amin’ny fahitana.+
31 Maminany lainga ny mpaminany,+Ary manampatra fahefana ny mpisorona. Dia tian’ny vahoakako erỳ izany!+ Koa ahoana no hataonareo rehefa tonga ny farany?”
14 Dia niteny tamiko i Jehovah hoe: “Maminany lainga amin’ny anarako ireo mpaminany ireo.+ Tsy naniraka azy ireo aho na nanome didy azy na niresaka taminy.+ Tsy marina ny fahitana azony, tsy misy dikany ny sikidy ataony, ary fitaka foromporonin’ny sainy* ny faminaniana resahiny aminareo.+