-
Eksodosy 32:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao, izay nanaovanao fianianana hoe: ‘Hataoko lasa be dia be hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakareo.+ Ary homeko ny taranakareo io tany manontolo io, izay efa nofidiko ho azy ireo. Dia ho azon’izy ireo alaina ho fananany mandrakizay izy io.’”+
-
-
Levitikosy 26:41, 42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
41 Dia nanohitra azy ireo koa aho,+ ka nitondra azy tany amin’ny tanin’ny fahavalony.+
“‘Angamba mba hanetry tena ihany ny fony tsy voafora* amin’izay,+ ka hanonitra ny fahadisoany izy ireo. 42 Dia hotsaroako ny fifanekena nataoko tamin’i Jakoba,+ sy ilay fifanekena nataoko tamin’i Isaka,+ ary ilay fifanekena nataoko tamin’i Abrahama,+ ary hotsaroako ilay tany.
-