FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 dia horoahiko tsy ho eo amin’ny tany nomeko azy ny Israely.+ Ilay trano nohamasiniko ho an’ny anarako kosa hariako tsy ho hitan’ny masoko intsony,+ ary ny Israely hesoesoin’ny firenena rehetra* sy hataony fihomehezana.+

  • Jeremia 7:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “‘Mandehana any Silo,+ any amin’ilay toerana nametrahako ny anarako+ tamin’ny voalohany, dia jereo ny nataoko taminy noho ny zava-dratsy nataon’ny Israely vahoakako.+

  • Jeremia 7:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Koa hataoko hoatran’i Silo ilay trano mitondra ny anarako,+ na dia itokisanareo+ aza. Ary hataoko toy izany koa ity toerana nomeko anareo sy ny razambenareo ity.+

  • Daniela 9:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Enga anie ianao mba hanongilan-tsofina ka hihaino, ry Andriamanitro ô! Mba sokafy ny masonao ka jereo tsara fa rava ilay tanàna nantsoina tamin’ny anaranao. Fa tsy noho izahay nanao ny tsara no italahoanay aminao, fa noho ianao be famindram-po.+

  • Hosea 12:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Miady amin’ny Joda any amin’ny fitsarana i Jehovah.+

      Hataony ampamoaka i Jakoba noho ny ratsy nataony,

      Ary hovaliany araka izay nataony.+

  • Mika 6:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Henoy ny adin’i Jehovah any amin’ny fitsarana, ry tendrombohitra,

      Sy ianareo fototra mafy iorenan’ny tany!+

      Fa miady amin’ny vahoakany any amin’ny fitsarana i Jehovah,

      Ary toriny ny Israely.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara