FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 25:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Hampanantsoiko i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko.+ Hoentiko izy ireo ka hiady amin’ity tany ity+ sy ny mponina eto, ary amin’ireo firenena rehetra manodidina ireo.+ Dia haringako tanteraka ireo rehetra ireo ka hataoko mihorohoro sy misioka ny olona noho izay hanjo azy. Ary ho rava mandrakizay izy rehetra.

  • Jeremia 28:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Fa izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Hasiako zioga vy eo amin’ny vozon’ireny firenena rehetra ireny, mba hanompoan’izy ireny an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka tsy maintsy hanompo azy izy ireny.+ Na ny bibidia aza homeko azy.”’”+

  • Jeremia 43:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Hampiantso an’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko+ aho. Hapetrako eo ambonin’ireo vato nafeniko ireo ny seza fiandrianany, ary hovelariny eo ambonin’ireo ny tranolainy.*+

  • Daniela 2:37, 38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Ianao, ry mpanjaka ô, ianao no mpanjakan’ny mpanjaka, ary nomen’ilay Andriamanitry ny lanitra anao ny fanjakana+ sy ny hery sy ny tanjaka ary ny voninahitra. 38 Nomeny anao koa ny fahefana amin’ny olona, na aiza na aiza misy azy ireo, sy ny fahefana amin’ny bibidia sy ny voro-manidina, ka nataony mpanjakan’izy rehetra ianao.+ Ianao àry ilay loha volamena.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara