-
2 Mpanjaka 24:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Tonga teo amin’ilay tanàna i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, raha mbola nanao fahirano azy io ny mpanompony.
-
-
2 Tantara 36:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Ary nentin’i Nebokadnezara tany Babylona ny fitaovana sasany tao an-tranon’i Jehovah, ka nataony tao an-dapany tany Babylona.+
-
-
Jeremia 28:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Tamin’iny taona iny ihany, izany hoe teo am-piandohan’ny fanjakan’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahefatra, dia niteny an’izao tamiko, tao an-tranon’i Jehovah teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, i Hanania zanak’i Azora, mpaminany avy any Gibeona:+ 2 “Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hotapahiko ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona.+ 3 Ato anatin’ny roa taona,* dia haveriko eto amin’ity toerana ity ny fitaovana rehetra tao an-tranon’i Jehovah, izay nalain’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona teto sy nentiny any Babylona.’”+
-
-
Daniela 1:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
1 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima+ mpanjakan’ny Joda, dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka nataony fahirano ilay tanàna.+ 2 Tatỳ aoriana, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda,+ sy ny fitaovana sasany tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra. Dia nentin’i Nebokadnezara tao an-tranon’ny* andriamaniny, tany Sinara,*+ ireny ka nataony tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny andriamaniny.+
-