FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 32:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia niangavy an’i* Jehovah Andriamaniny+ i Mosesy, ka niteny hoe: “Jehovah ô, nahoana ianao no hanampatra ny hatezeranao amin’ny vahoakanao, rehefa avy nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta tamin-kery lehibe sy tamin’ny sandry mahery?+ 12 Nahoana ny Ejipsianina no dia avela hiteny hoe: ‘Te hanisy ratsy azy ireo izy, dia nitondra azy ireo niala teto amintsika. Tiany hovonoina any an-tendrombohitra sy haringana tsy ho etỳ ambonin’ny tany izy ireo’?+ Aza manampatra ny hatezeranao intsony re e, ary mba ovao,* azafady, ny fanapahan-kevitrao hoe handringana ny vahoakanao.

  • Josoa 2:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Hoy izy tamin’izy roa lahy: “Fantatro fa homen’i Jehovah anareo ity tany ity,+ ary matahotra anareo izahay.+ Kivy ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity satria ho avy ianareo.+ 10 Henonay mantsy fa nataon’i Jehovah ritra teo anoloanareo ny Ranomasina Mena, rehefa niala tany Ejipta ianareo.+ Henonay koa ny nataonareo tamin’ny mpanjaka amorita roa, dia i Sihona+ sy Oga,+ izay naringanareo teny ampitan’i* Jordana.

  • Josoa 9:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Henon’ny mponin’i Gibeona+ koa ny nataon’i Josoa tamin’i Jeriko+ sy Ay.+

  • Josoa 9:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia hoy izy ireo: “Avy any an-tany lavitra be izahay mpanomponao,+ ary tonga atỳ noho ny amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao. Efa henonay mantsy ny lazany sy izay rehetra nataony tany Ejipta,+

  • 1 Samoela 4:7, 8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Dia natahotra ny Filistinina satria “tonga ao amin’ilay toby Andriamanitra!”,+ araka ny resaka nifanaovan’izy ireo. Hoy àry izy ireo: “Hidiran-doza isika fa mbola tsy nisy hoatr’izao mihitsy hatramin’izay! 8 Hidiran-doza isika! Iza no hamonjy antsika eo an-tanan’izany Andriamanitra heni-kaja izany? Izy ilay Andriamanitra namely an’i Ejipta tamin’ny loza isan-karazany tany an-tany efitra.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara