1 Mpanjaka 14:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Ianao kosa nanao zavatra ratsy lavitra noho izay rehetra talohanao. Nanamboatra andriamani-kafa sy sarivongana metaly* ho anao ianao mba hampahatezitra ahy.+ Izaho mihitsy no nomenao lamosina.+ Nehemia 9:26 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 26 “Tsy nankatò anefa izy ireo, ary nikomy taminao+ sady tsy niraharaha ny Lalànao.* Novonoiny koa ny mpaminaninao, izay nampirisika azy hiverina aminao. Tena naniratsira anao izy ireo!+ Isaia 17:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Efa nanadino an’ilay Andriamanitra+ mpamonjy anao mantsy ianao,Sady tsy nahatsiaro an’ilay Vatolampy,+ ilay manda miaro anao. Izany no antony anaovanao saha tsara tarehy,*Sy ambolenao tsimoka avy any an-tany hafa.* Jeremia 2:32 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 32 Misy virjiny manadino ny firavany ve,Na vehivavy ampakarina manadino ny fehikibony?* Ny vahoakako anefa nanadino ahy nandritra ny andro maro tsy voaisa.+ Jeremia 13:25 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 25 Izany no anjaranao, dia ilay anjara norefesiko ho anao”, hoy i Jehovah,“Satria nanadino ahy+ ianao ary lainga no atokisanao.+
9 Ianao kosa nanao zavatra ratsy lavitra noho izay rehetra talohanao. Nanamboatra andriamani-kafa sy sarivongana metaly* ho anao ianao mba hampahatezitra ahy.+ Izaho mihitsy no nomenao lamosina.+
26 “Tsy nankatò anefa izy ireo, ary nikomy taminao+ sady tsy niraharaha ny Lalànao.* Novonoiny koa ny mpaminaninao, izay nampirisika azy hiverina aminao. Tena naniratsira anao izy ireo!+
10 Efa nanadino an’ilay Andriamanitra+ mpamonjy anao mantsy ianao,Sady tsy nahatsiaro an’ilay Vatolampy,+ ilay manda miaro anao. Izany no antony anaovanao saha tsara tarehy,*Sy ambolenao tsimoka avy any an-tany hafa.*
32 Misy virjiny manadino ny firavany ve,Na vehivavy ampakarina manadino ny fehikibony?* Ny vahoakako anefa nanadino ahy nandritra ny andro maro tsy voaisa.+
25 Izany no anjaranao, dia ilay anjara norefesiko ho anao”, hoy i Jehovah,“Satria nanadino ahy+ ianao ary lainga no atokisanao.+