-
Isaia 6:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Tamin’ny taona nahafatesan’i Ozia Mpanjaka,+ dia hitako i Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina,+ ary nameno ny tempoly ny akanjony lava mirebareba. 2 Nisy serafima nijoro teo amboniny. Samy nanana elatra enina avy izy ireo,* ka ny roa nanaronany ny tarehiny, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.
-
-
Apokalypsy 4:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Tonga dia niasa tamiko ny fanahin’Andriamanitra, taorian’izay. Dia io fa nisy seza fiandrianana+ tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo amboniny. 3 Hoatran’ny vato jaspa+ sy vatosoa sardoanina* no fahitana an’Ilay nipetraka. Ary nanodidina an’ilay seza fiandrianana dia nisy avana hoatran’ny emeraoda.+
-