-
Deoteronomia 30:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Ary hampidirin’i Jehovah Andriamanitrao ao amin’ilay tany nalain’ny razambenao ho fananany ianao, ka ho lasanao izy io. Dia hataony mandeha tsara ny fiainanao, sady hataony lasa be dia be mihoatra noho ny razambenao ianao.+
-
-
Jeremia 32:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Fa izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Mbola hisy trano sy saha ary tanimboaloboka hovidina indray eto amin’ity tany ity.’”+
-
-
Ezekiela 28:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 “‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Rehefa angoniko indray avy any amin’ireo firenena nanaparitahana azy ny taranak’Israely,+ dia hohamasinina eo amin’izy ireo sy eo imason’ireo firenena aho.+ Dia hipetraka ao amin’ny taniny+ izy ireo, dia ilay tany nomeko an’i Jakoba mpanompoko.+ 26 Hiadana sy hilamina izy ireo+ ao amin’ilay tany, ka hanao trano sy hamboly voaloboka.+ Ary hiadana sy hilamina izy ireo rehefa mampihatra didim-pitsarana amin’izay manesoeso azy aho,+ dia izay rehetra manodidina azy. Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Andriamaniny.”’”
-