FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 12:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Fa raha tsy mankatò ny tenin’i Jehovah kosa ianareo ary manohitra ny baikon’i Jehovah, dia hamely anareo sy ny rainareo ny tanan’i Jehovah.+

  • 1 Tantara 28:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 2 Tantara 36:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa nentin’Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina.+ Dia novonoiny tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina ny tovolahin’izy ireo.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo.+ Natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.+

  • 2 Tantara 36:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Dia nodorany ny tranon’ilay tena Andriamanitra,+ ary noravany ny mandan’i Jerosalema.+ Nodorany koa ny tilikambo voaro mafy rehetra teo aminy, ary nopotehiny ny zava-tsarobidy rehetra.+

  • Jeremia 17:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 “‘“Fa raha tsy mankatò ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro sabata, fa mitondra entana sy mampiditra an’izany eo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema na Sabata aza ny andro, dia hodorako ireo vavahadiny. Dia ho levon’ny afo ireo tilikambo voaro mafy ao Jerosalema,+ ary tsy hovonoina izany afo izany.”’”+

  • Jeremia 37:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Dia hiverina indray ny Kaldeanina ka hanafika an’ity tanàna ity sy haka azy ary handoro azy.”+

  • Jeremia 52:12-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahadimy, izany hoe tamin’ny taona faha-19 nanjakan’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona, dia tonga tao Jerosalema i Nebozaradana lehiben’ny mpiambina ny mpanjakan’i Babylona sady mpanompony.+ 13 Dia nodorany ny tranon’i Jehovah+ sy ny tranon’ny* mpanjaka ary ny trano rehetra tao Jerosalema. Nodorany koa ny trano lehibe rehetra. 14 Ary narodan’ny tafiky ny Kaldeanina manontolo, izay niaraka tamin’ilay lehiben’ny mpiambina, ny manda manodidina an’i Jerosalema.+

  • Hosea 8:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Nanadino ny Mpanao azy+ ny Israely, ka nanorina tempoly be dia be,+

      Ary ny Joda vao mainka nanao tanàna be dia be, sady nasiany manda ireny.+

      Handefasako afo anefa ireny tanàna ireny,

      Ka ho levon’ny afo ny tilikambon’ny tanàna tsirairay.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara