FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 23:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Narodany koa ilay alitara tao Betela sy ilay toerana avo nataon’i Jeroboama zanak’i Nebata, izay nahatonga ny Israely hanota.+ Rehefa avy narodany ilay alitara sy ilay toerana avo, dia nodorany ilay toerana avo ka notorotoroiny ho lasa vovoka. Nodorany koa ny tsato-kazo masina.*+

      16 Dia nitodika i Josia ka nahita an’ireo fasana teny an-tendrombohitra. Nasainy nalaina àry ny taolam-paty tao amin’izy ireny, ka nodorany teo ambonin’ilay alitara, mba tsy ho mendrika hampiasaina amin’ny fivavahana intsony ilay alitara. Dia tanteraka ny tenin’i Jehovah nambaran’ilay lehilahin’Andriamanitra, izay nilaza mialoha fa hitranga izany.+

  • 2 Tantara 31:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Raha vao vitan’izy ireo izany rehetra izany, dia lasa nankany amin’ireo tanànan’i Joda ny Israelita rehetra tonga teo, ka nopotipotehiny ny tsangambato masina+ ary nokapainy ny tsato-kazo masina.*+ Noravany koa ny toerana avo+ sy ny alitara+ nanerana an’i Joda sy Benjamina sy Efraima ary Manase,+ ka tsy nijanona izy ireo raha tsy efa rava tanteraka ireny. Samy nody tany amin’ny tanànany avy ny Israelita rehetra avy eo.

  • 2 Tantara 34:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 2 Tantara 34:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 dia noravany ny alitara, ary notorotoroiny ho lasa vovoka ny tsato-kazo masina* sy ny sary sokitra.+ Dia narodany daholo ny fandoroana emboka manitra nanerana ny tanin’ny Israely.+ Niverina tany Jerosalema izy avy eo.

  • Hosea 10:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Mihatsaravelatsihy* ny fony,

      Ka ho hita hoe meloka izy ireo.

      Hisy hanapotika ny alitarany, ary hisy handrava ny tsato-kazony masina.

  • Mika 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Hataoko lasa korontam-bato mivangongo eny an-tsaha i Samaria,

      Ary ho lasa tany fambolena voaloboka.

      Dia hatsipiko* eny an-dohasaha ny vatony,

      Ary hataoko miharihary ny fototra iorenany.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara