-
Hosea 1:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Ho lasa be dia be anefa ny Israelita,* hoatran’ny fasika any an-dranomasina, izay tsy voafatra na voaisa.+ Ary any amin’ilay toerana nilazako tamin’izy ireo hoe: ‘Tsy vahoakako ianareo’,+ no hilazako aminy hoe: ‘Zanak’ilay Andriamanitra velona ianareo.’+ 11 Hangonina ny vahoakan’i Joda sy ny vahoakan’Israely mba hiray hina,+ ka hifidy mpitondra iray hitarika azy izy ireo. Dia hiala ao amin’ilay tany izy ireo, satria ho andro lehibe ho an’i Jezirela+ izany.
-