-
Matio 27:39-42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
39 Ary nanevateva azy ny mpandalo,+ sady nihivingivin-doha+ 40 no niteny hoe: “Hay ianao ilay handrodana ny tempoly dia hanorina azy ao anatin’ny telo andro?+ Vonjeo ny tenanao e! Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia midìna avy eny amin’ny hazo fijaliana* eny!”+ 41 Nanesoeso hoatr’izany koa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy, sady niteny hoe:+ 42 “Ny hafa novonjeny, nefa ny tenany tsy hainy vonjena! Izy no Mpanjakan’ny Israely.+ Aleo izy hidina avy eny amin’ny hazo fijaliana,* dia hino azy isika.
-
-
Marka 14:58Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
58 “Henonay izy niteny hoe: ‘Harodako ity tempoly nataon’ny tanan’olona ity, dia hanorina hafa tsy nataon’ny tanan’olona aho rehefa afaka telo andro.’”+
-