FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 53:7, 8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Nampijalina+ sy nanaiky hampahorina izy,+

      Nefa tsy mba niteny mihitsy.

      Nentina hoatran’ny ondry hovonoina izy,+

      Hoatran’ny ondrivavy mangina eo anatrehan’ny mpanety azy,

      Ka tsy niteny mihitsy.+

       8 Noho ny fampahoriana* sy ny fitsarana, dia nesorina ny ainy.*

      Iza no handinika ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany?*

      Nesorina hiala tamin’ny tanin’ny velona izy.+

      Nokapohina* koa izy noho ny heloky ny vahoakako.+

  • Daniela 9:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “Aorian’ireo 62 herinandro ireo, dia hovonoina ny Mesia,+ ka tsy hanana na inona na inona intsony.+

      “Handrava an’ilay tanàna sy ny toerana masina ny tafiky ny mpitarika iray ho avy.+ Ary ho vita hatreo ny amin’izy io,* fa hisy tondra-drano. Hisy ady mandra-pahatongan’ny farany, ary hisy fandravana, araka ny didy navoaka.+

  • Filipianina 2:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary tsy izay ihany, fa rehefa lasa olombelona* izy, dia nanetry tena ary nankatò ka nanaiky ho faty mihitsy aza,+ izany hoe ho faty teo amin’ny hazo fijaliana.*+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara