-
Genesisy 27:38-40Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Ary hoy i Esao tamin’ny rainy: “Dia tsodrano iray fotsiny ve no mba anananao, ry Dada? Mba omeo tsodrano koa re aho, ry Dada ô!” Dia nigogogogo nitomany i Esao.+ 39 Hoy àry i Isaka rainy:
“Tsy hipetraka eny akaikin’ny tany lonaka ianao, sady tsy hahazo ny andon’ny lanitra ambony.+ 40 Ny sabatrao no hivelomanao,+ ary hanompo ny rahalahinao ianao.+ Rehefa tsy zakanao intsony anefa izany, dia hotapahinao hiala amin’ny vozonao ny ziogany.”+
-