Salamo
Hiran’i Asafa.+
50 Ilay Andriamanitry ny andriamanitra, dia i Jehovah,*+ no miteny;
Miantso ny tany izy,
Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.*
2 Avy ao Ziona, tanàna tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy,+ no amirapiratan’Andriamanitra.
3 Ho avy ilay Andriamanitsika, ary tsy hangina fotsiny izy.+
5 “Vorio eto anatrehako ny olona tsy mivadika amiko,
Dia ireo nanao fifanekena tamiko tamin’ny alalan’ny sorona.”+
6 Ny lanitra manambara ny fahamarinan’Andriamanitra,
Fa Andriamanitra no Mpitsara.+ (Sela)
7 “Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny aho;
Ry Israely, hijoro ho vavolombelona hiampanga anao aho.+
Izaho no Andriamanitra, ilay Andriamanitrao.+
8 Tsy noho ny sorona nataonao no ananarako anao,
Na noho ny fanatitra dorana natolotrao, izay eto anatrehako foana.+
10 Fa ahy ny bibidia rehetra any an’ala,+
Na dia ny bibidia eny amin’ireo tendrombohitra arivo aza.
11 Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra;+
Ahy ny biby tsy hita isa eny an-tsaha.
12 Raha noana aho, dia tsy hiteny aminao,
Satria ahy ny tany lonaka sy izay rehetra ao aminy.+
13 Hihinana henan’ombilahy angaha aho
Sa hisotro ran’osy?+
14 Fisaorana no atolory ho sorona ho an’Andriamanitra,+
Ary tanteraho ny voady nataonao tamin’ny Avo Indrindra;+
15 Antsoy aho rehefa ao anatin’ny sarotra ianao.+
Dia hamonjy anao aho, ka hanome voninahitra ahy ianao.”+
16 Fa hoy kosa Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy:
18 Rehefa mahita mpangalatra ianao, dia mankasitraka ny ataony,*+
Ary miaraka foana amin’ny mpanitsakitsa-bady ianao.
19 Avelanao hanely zava-dratsy ny vavanao,
Ary tsy mitsahatra miteny fitaka ny lelanao.+
21 Rehefa nanao an’izany rehetra izany ianao, dia nangina tsy niteny aho,
Ka nieritreritra ianao hoe hoatr’anao ihany aho.
Hananatra anao anefa aho izao,
Ary hilaza an’izay hiampangako anao.+
22 Aoka ianareo izay manadino an’Andriamanitra+ handinika an’izany,
Sao hamiravira anareo aho ka tsy hisy hamonjy anareo.