FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Korintianina 4
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

1 Korintianina: Topy Maso

      • Tokony ho mendri-pitokisana ny mpanompo (1-5)

      • Tokony hanetry tena ny Kristianina (6-13)

        • “Aza mihoatra an’izay voasoratra” (6)

        • Toy ny hoe aseho eny ambony sehatra ny Kristianina (9)

      • Tia sy mikarakara ny zanany ara-panahy i Paoly (14-21)

1 Korintianina 4:1

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “mpanompo eo ambany fahefan’i.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 13:11; Ro 16:25, 26

1 Korintianina 4:4

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Oh 21:2; Ro 14:10; He 4:13

1 Korintianina 4:5

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 7:1
  • +Oh 10:9; 2Ko 10:18; 1Ti 5:24, 25

1 Korintianina 4:6

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 1:12
  • +Ro 12:3; 2Ko 12:20; 3Jn 9

1 Korintianina 4:7

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jn 3:27

1 Korintianina 4:8

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ap 20:4, 6
  • +2Ti 2:12; Ap 3:21

1 Korintianina 4:9

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ro 8:36; 1Ko 15:32; 2Ko 6:4, 9
  • +He 10:33

1 Korintianina 4:10

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 3:18

1 Korintianina 4:11

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Abt: “mitanjaka.”

  • *

    Na: “asiana totohondry.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Fi 4:12
  • +2Ko 11:27
  • +As 14:19; 23:2; 2Ko 11:24

1 Korintianina 4:12

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 18:3; 20:34; 1Te 2:9
  • +Ro 12:14; 1Pe 3:9
  • +Mt 5:44

1 Korintianina 4:13

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Abt: “dia miangavy.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Pe 2:23

1 Korintianina 4:15

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “mpiambina.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ga 4:19; 1Te 2:11

1 Korintianina 4:16

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 11:1; Fi 3:17; 1Te 1:6

1 Korintianina 4:17

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Abt: “ny lalako.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ti 1:13

1 Korintianina 4:19

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

1 Korintianina 4:21

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 13:10

Ankapobeny

1 Kor. 4:1Mt 13:11; Ro 16:25, 26
1 Kor. 4:4Oh 21:2; Ro 14:10; He 4:13
1 Kor. 4:5Mt 7:1
1 Kor. 4:5Oh 10:9; 2Ko 10:18; 1Ti 5:24, 25
1 Kor. 4:61Ko 1:12
1 Kor. 4:6Ro 12:3; 2Ko 12:20; 3Jn 9
1 Kor. 4:7Jn 3:27
1 Kor. 4:8Ap 20:4, 6
1 Kor. 4:82Ti 2:12; Ap 3:21
1 Kor. 4:9Ro 8:36; 1Ko 15:32; 2Ko 6:4, 9
1 Kor. 4:9He 10:33
1 Kor. 4:101Ko 3:18
1 Kor. 4:11Fi 4:12
1 Kor. 4:112Ko 11:27
1 Kor. 4:11As 14:19; 23:2; 2Ko 11:24
1 Kor. 4:12As 18:3; 20:34; 1Te 2:9
1 Kor. 4:12Ro 12:14; 1Pe 3:9
1 Kor. 4:12Mt 5:44
1 Kor. 4:131Pe 2:23
1 Kor. 4:15Ga 4:19; 1Te 2:11
1 Kor. 4:161Ko 11:1; Fi 3:17; 1Te 1:6
1 Kor. 4:172Ti 1:13
1 Kor. 4:212Ko 13:10
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
  • 17
  • 18
  • 19
  • 20
  • 21
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
1 Korintianina 4:1-21

Korintianina Voalohany

4 Tokony hihevitra anay ho mpanompon’i* Kristy sy ho mpanompo miandraikitra ny zava-miafina+ masin’Andriamanitra ny olona. 2 Noho izany, dia takina amin’ny mpanompo ny ho mendri-pitokisana. 3 Raha izaho, dia tsy mampaninona ahy na ianareo na ny fitsaran’olombelona no handinika ny momba ahy. Na izaho aza mantsy tsy manao an’izany amin’ny tenako. 4 Fa tsy hitako izay fahadisoako, nefa tsy midika akory izany hoe marina aho. I Jehovah* no mandinika ny momba ahy.+ 5 Koa aza mitsara+ na inona na inona alohan’ny fotoana voatondro, mandra-piavin’ny Tompo. Izy no hampiseho eo amin’ny mazava ny zava-miafina ao anaty haizina sy hampahafantatra ny fikasan’ny fo. Amin’izay dia samy hahazo dera avy amin’Andriamanitra ny tsirairay.+

6 Noraisiko ho ohatra izaho sy Apolosy,+ ry rahalahy, rehefa nilaza an’izany zavatra izany aho mba hahasoa anareo, ka hianaranareo an’ilay fitsipika hoe: “Aza mihoatra an’izay voasoratra.” Amin’izay dia tsy hirehareha ianareo,+ ka hihevitra ny iray ho tsara kokoa noho ny iray. 7 Fa inona no tsy mampitovy anao amin’ny olon-kafa? Inona tokoa moa no anananao ka hoe tsy nomena anao?+ Koa raha nomena anao ilay izy, maninona ianao no mirehareha hoatran’ny hoe tsy nisy nanome?

8 Efa afa-po sahady angaha ianareo? Ary efa manankarena sahady? Efa nanomboka nanjaka+ irery tsy nisy anay angaha ianareo? Tena tiako raha mba efa nanomboka nanjaka ianareo, amin’izay koa izahay mba afaka miara-manjaka aminareo!+ 9 Fa amiko, dia hoatran’ny hoe izahay apostoly no nataon’Andriamanitra niakatra an-tsehatra farany, toy ny olona voaheloka ho faty.+ Naseho teny ambony sehatra mantsy izahay mba hojeren’izao tontolo izao+ sy ny anjely ary ny olona. 10 Izahay moa adala+ noho ny amin’i Kristy, fa ianareo kosa malina ao amin’i Kristy! Izahay malemy, fa ianareo kosa matanjaka! Ianareo omem-boninahitra, fa izahay kosa alam-baraka! 11 Hatramin’izao ora izao, dia mbola noana+ izahay, mangetaheta,+ zara raha mitafy,* kapohina,*+ tsy manan-kialofana, 12 ary miasa mafy amin’ny tananay.+ Rehefa misy manambanimbany anay dia mirary soa+ izahay, rehefa enjehina izahay dia miaritra foana,+ 13 ary rehefa misy manendrikendrika dia mamaly amim-pahalemem-panahy.*+ Lasa toy ny fakon’izao tontolo izao sy faikan’ny zava-drehetra izahay hatramin’izao.

14 Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no anoratako an’izany, fa ny hananatra anareo hoatran’ny zanako malalako. 15 Fa na manana mpitaiza* 10 000 ao amin’i Kristy aza ianareo, dia azo antoka fa tsy be dia be ny rainareo. Lasa rainareo ao amin’i Kristy Jesosy mantsy aho, satria nitory ny vaovao tsara taminareo.+ 16 Koa mampirisika anareo aho mba hanahaka ahy.+ 17 Izany no antony anirahako an’i Timoty any aminareo, satria zanako malalako sy mendri-pitokisana ao amin’ny Tompo izy. Hampahatsiahiviny anareo ny fomba fiasako* amin’ny fanompoana ampanaovin’i Kristy Jesosy ahy,+ izany hoe ilay fomba fiasa ampianariko any amin’ny fiangonana rehetra, na aiza na aiza.

18 Mirehareha ny sasany, satria heverin’izy ireo fa tsy ho tonga any aminareo aho. 19 Ho avy tsy ho ela any aminareo anefa aho, raha sitrapon’i Jehovah.* Ary tsy izay tenenin’ireo mirehareha no tiako hofantarina, fa ny heriny. 20 Tsy izay lazain’ny olona mantsy no manaporofo hoe manaiky ny Fanjakan’Andriamanitra izy, fa ny herin’ny fanahin’Andriamanitra eo aminy. 21 Fa inona no tianareo: Hitondra tsorakazo aho rehefa tonga any aminareo,+ sa ho be fitiavana sy halemy fanahy?

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara