Joba
39 “Fantatrao ve ny fotoana fiterahan’ny osidia mpianika tendrombohitra?+
Efa nahita serfa niteraka ny zanany+ ve ianao?
2 Voaisanao ve hoe firy volana izy ireny no mitondra vohoka?
Fantatrao ve ny fotoana fiterahany?
3 Mipetraka ambany izy ireny rehefa miteraka an’ireo zanany,
Ary mifarana hatreo ny fanaintainany.
4 Mihamatanjaka sy mihalehibe eny an-tsaha ny zanak’izy ireny;
Lasa izy ireo, ka tsy miverina eo aminy intsony.
5 Iza no nandefa ny ampondradia hikarenjy,+
Ary iza no namaha ny tadin’ny ampondradia?
6 Efa nomeko ho tranony ny lemaka karakaina,
Ary ho toeram-ponenany ny tanin-tsira.
7 Ihomehezany fotsiny ny tabataba ao an-tanàna,
Ary tsy henony ny antsoantson’ny mpandroaka biby.
8 Mitety an’ireo havoana izy mitady vilona,
Mitady an’ity karazan-java-maitso rehetra ity.
9 Hanaiky hanompo anao ve ny ombidia?+
Hatory ao am-pahitra* ao aminao ve izy?
10 Hahatazona ombidia amin’ny tady mba hanao vava asa ve ianao,
Na hanaraka anao mba hiasa tany* eny an-dohasaha ve izy?
11 Hatoky ny herin’ny tanjany ve ianao,
Ka havelanao hamita ny asa mafy ataonao izy?
12 Izy ve no hianteheranao hampiditra ny vokatrao,*
Sy hanangona an’izany ho eo amin’ny famoloanao?
13 Faly mikopakopaka elatra ny aotirisy,
Nefa afaka mifampitaha amin’ny an’ny vanobe ve ny volon’elany sy ny volony?+
14 Fa ilaozany eo amin’ny tany ny atodiny,
Ary hafanainy ao anaty vovoka izany.
15 Hadinony hoe mety hisy tongotra hanosihosy an’ireny,
Na bibidia hanitsakitsaka an’ireny.
16 Masiaka amin-janany izy, toy ny hoe tsy zanany ireny;+
Tsy mampaninona azy na dia mety ho very maina aza izay nisasarany.
17 Fa nesorin’Andriamanitra taminy* ny fahendrena,
Ary tsy nataony mahira-tsaina izy.
18 Rehefa mitsangana sy manakopakopaka elatra anefa izy,
Dia ihomehezany fotsiny ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
19 Ianao ve no manome hery ny soavaly,+
Sy manarona ny hatony amin’ny volo mihofahofa?
20 Mahay mampitsambikina azy toy ny valala ve ianao?
Mampihoron-koditra ny maheno azy miefonefona be.+
21 Mampikatrokatroka ny kitrony amin’ny tany, eny amin’ny lohasaha, izy ary mientanentana erỳ noho ny heriny;+
22 Ihomehezany fotsiny ny tahotra, ary tsy misy na inona na inona atahorany.+
Tsy mitsoaka izy manoloana ny sabatra.
23 Midona aminy ny tranon-jana-tsipìka ka mikorintsana,
Ary manjelanjelatra ny lefona sy ny lefom-pohy.
24 Mientanentana be izy, ka miriotra mafy mandroso,*
Tsy mahatombina* izy rehefa mahare feon’anjombona.
25 Vonona avy hatrany izy ka mikiakiaka, rehefa maneno ny anjombona.
Raha mbola lavitra izy dia mandre ny fofon’ady
Sy ny horakoraky ny mpitari-tafika ary ny hiakan’ady.+
26 Ny fahiratan-tsainao ve no mahatonga ny hitsikitsika lehibe hisidina avo,
Ka mamelatra ny elany mianatsimo?
27 Sa ny baiko omenao no mahatonga ny voromahery hanidina ambony,+
Sy hanorina ny akaniny eny amin’ny avo?+
28 Matory eny amin’ny harambato izy,
Ary manorim-ponenana eny amin’ny toerana azo antoka, eny amin’ny vatolampy.*
29 Avy eny izy no mitady sakafo;+
Mahatazan-davitra ny masony.
30 Mitsentsitra ra ny zanany;
Ary na aiza na aiza misy faty, dia any izy.”+