FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 11
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

Asan’ny Apostoly: Topy Maso

      • Nanao tatitra tamin’ny apostoly i Petera (1-18)

      • Barnabasy sy Saoly tany Antiokia any Syria (19-26)

        • Nantsoina voalohany hoe Kristianina ny mpianatra (26)

      • Naminany i Agabo hoe hisy mosary (27-30)

Asan’ny Apostoly 11:2

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “nifamaly taminy.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 10:45; Ga 2:12

Asan’ny Apostoly 11:5

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 10:10-16

Asan’ny Apostoly 11:11

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 10:17-20

Asan’ny Apostoly 11:13

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 10:30-33

Asan’ny Apostoly 11:15

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 2:1, 4; 10:44, 45

Asan’ny Apostoly 11:16

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 3:11; Mr 1:8; Lk 3:16; As 1:5
  • +Jl 2:28; Jn 1:33; As 2:17

Asan’ny Apostoly 11:17

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 10:47

Asan’ny Apostoly 11:18

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Abt: “dia nangina.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Is 11:10; As 17:30; Ro 10:12; 15:8, 9

Asan’ny Apostoly 11:19

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 8:1
  • +Mt 10:5, 6

Asan’ny Apostoly 11:21

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 2:47; 9:35

Asan’ny Apostoly 11:22

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 4:36, 37

Asan’ny Apostoly 11:23

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 13:43; 14:21, 22

Asan’ny Apostoly 11:24

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 2:47; 4:4; 5:14; 9:31

Asan’ny Apostoly 11:25

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 21:39

Asan’ny Apostoly 11:26

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 9:2

Asan’ny Apostoly 11:27

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 12:28; Ef 4:11

Asan’ny Apostoly 11:28

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “tany misy mponina.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 21:10, 11
  • +Mt 24:7

Asan’ny Apostoly 11:29

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “samy hanao fanompoana ka hanampy.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ga 2:10
  • +2Ko 8:12

Asan’ny Apostoly 11:30

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 12:25

Ankapobeny

Asa. 11:2As 10:45; Ga 2:12
Asa. 11:5As 10:10-16
Asa. 11:11As 10:17-20
Asa. 11:13As 10:30-33
Asa. 11:15As 2:1, 4; 10:44, 45
Asa. 11:16Mt 3:11; Mr 1:8; Lk 3:16; As 1:5
Asa. 11:16Jl 2:28; Jn 1:33; As 2:17
Asa. 11:17As 10:47
Asa. 11:18Is 11:10; As 17:30; Ro 10:12; 15:8, 9
Asa. 11:19As 8:1
Asa. 11:19Mt 10:5, 6
Asa. 11:21As 2:47; 9:35
Asa. 11:22As 4:36, 37
Asa. 11:23As 13:43; 14:21, 22
Asa. 11:24As 2:47; 4:4; 5:14; 9:31
Asa. 11:25As 21:39
Asa. 11:26As 9:2
Asa. 11:271Ko 12:28; Ef 4:11
Asa. 11:28As 21:10, 11
Asa. 11:28Mt 24:7
Asa. 11:29Ga 2:10
Asa. 11:292Ko 8:12
Asa. 11:30As 12:25
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
  • 17
  • 18
  • 19
  • 20
  • 21
  • 22
  • 23
  • 24
  • 25
  • 26
  • 27
  • 28
  • 29
  • 30
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Asan’ny Apostoly 11:1-30

Asan’ny Apostoly

11 Henon’ny apostoly sy ny rahalahy tany Jodia fa nanaiky ny tenin’Andriamanitra koa ireo hafa firenena. 2 Koa rehefa niakatra tany Jerosalema i Petera, dia nanakiana azy* ny mpomba ny famorana,+ 3 ka niteny hoe: “Niditra tao an-tranon’ny tsy mifora ianao sady niara-nisakafo taminy.” 4 Nohazavain’i Petera tamin’ny an-tsipiriany àry izay nitranga, ka hoy izy:

5 “Tao an-tanànan’i Jopa aho tamin’izay. Nivavaka aho ary avy eo nahita fahitana. Nahita zavatra hoatran’ny lamba rongony lehibe nidina avy any an-danitra aho. Nampidinina tamin’ny zorony efatra ilay izy, ka tonga teo amiko.+ 6 Nijery tsara ny tao anatiny aho, dia nahita biby manan-tongotra efatra, sy bibidia, sy biby mandady, ary voro-manidina. 7 Henoko nisy feo koa niteny tamiko hoe: ‘Petera a, mitsangàna! Vonoy dia hano!’ 8 Fa hoy aho: ‘Sanatria, Tompo ô! Fa mbola tsy niditra ny vavako mihitsy izay zavatra maloto na tsy madio.’ 9 Dia namaly fanindroany ilay feo avy any an-danitra hoe: ‘Aza ataonao intsony hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.’ 10 Ary nitranga fanintelony izany, dia nosintonina niakatra tany an-danitra indray ny zava-drehetra. 11 Tamin’izay indrindra no nisy telo lahy tonga teo amin’ilay trano nipetrahanay. Avy any Kaisaria izy ireo no nirahina ho any amiko.+ 12 Dia nilaza tamiko ny fanahy masina mba hiaraka tamin’izy ireo ka tsy hisalasala mihitsy. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, dia niditra tao an-tranon’ilay lehilahy izahay.

13 “Nitantara taminay izy hoe nahita anjely nijoro tao an-tranony, dia niteny taminy izy io hoe: ‘Maniraha olona ho any Jopa mba haka an’i Simona, ilay antsoina koa hoe Petera,+ 14 fa holazainy anao hoe ahoana no hahavoavonjy anao sy ny ankohonanao manontolo.’ 15 Vao niteny kelikely anefa aho, dia nilatsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina, hoatran’ilay nilatsahany tamintsika tamin’ny voalohany.+ 16 Tamin’izay dia tadidiko ny tenin’ny Tompo, izay nilaza matetika hoe: ‘I Jaona nanao batisa tamin’ny rano,+ fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny fanahy masina.’+ 17 Nomen’Andriamanitra fanomezana maimaim-poana isika satria nino an’i Jesosy Kristy Tompo. Koa raha nomen’Andriamanitra an’izany fanomezana izany koa izy ireo, dia iza moa aho no hahasakana an’Andriamanitra?”+

18 Rehefa naheno an’izany izy ireo, dia tsy nanohitra intsony.* Nanome voninahitra an’Andriamanitra kosa izy ireo, ka niteny hoe: “Hay ve ka tian’Andriamanitra hibebaka koa ny hafa firenena mba hahazoan’izy ireo fiainana e!”+

19 Niparitaka ny mpianatra+ noho ilay fanenjehana taorian’ny namonoana an’i Stefana, ka tonga hatrany Fenisia sy Sipra ary Antiokia. Tsy nitory ny teny afa-tsy tamin’ny Jiosy+ ihany anefa izy ireo. 20 Nisy tamin’izay avy any Sipra sy Kyrena anefa tonga tany Antiokia. Ary niresaka tamin’ny olona miteny grika izy ireo, ka nitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompo. 21 Dia nanampy azy ireo ny tanan’i Jehovah.* Ary be dia be no lasa mpino ka niova sy nanaiky ny Tompo.+

22 Henon’ny fiangonana tany Jerosalema ny fitantarana momba azy ireo, ka nirahin’ny fiangonana handeha hatrany Antiokia i Barnabasy.+ 23 Faly i Barnabasy rehefa tonga tany ka nahita fa naneho hatsaram-panahy miavaka Andriamanitra. Dia nampahery ny rehetra izy mba ho tapa-kevitra foana hifikitra amin’ny Tompo amin’ny fo manontolo.+ 24 Fa lehilahy tsara fanahy sy feno fanahy masina ary tena nanam-pinoana izy. Ary vahoaka be no lasa nino ny Tompo.+ 25 Dia nankany Tarsosy izy mba hikaroka an’i Saoly.+ 26 Rehefa hitany i Saoly, dia nentiny tany Antiokia. Koa niara-nivory tamin’ny fiangonana tany izy roa lahy ary nampianatra olona maro be, nandritra ny herintaona katroka. Tany Antiokia no niantsoana voalohany ny mpianatra hoe Kristianina,+ noho ny fitarihan’Andriamanitra.

27 Nisy mpaminany+ nidina avy any Jerosalema nankany Antiokia, tamin’izany andro izany. 28 Anisan’ireny ilay antsoina hoe Agabo,+ izay notarihin’ny fanahy hilaza mialoha fa tsy ho ela dia hisy mosary lehibe hanerana ny tany.*+ Dia izany tokoa no nitranga tamin’ny andron’i Klaodio. 29 Nanapa-kevitra àry ny mpianatra fa samy handefa fanampiana*+ araka izay vitany,+ ho an’ireo rahalahy nipetraka tany Jodia. 30 Dia nandefa fanampiana ho any amin’ny anti-panahy tokoa izy ireo, ary i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy an’izany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara