HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 6-7
“Ho Hitanao Ankehitriny Izay Hataoko Amin’i Farao”
Efa nolazain’i Jehovah tamin’ny Israelita ny zavatra hataony, talohan’ny nandefasany an’ireo loza tany Ejipta sy nanafahany azy ireo tamin’ny fanandevozana. Hampiseho ny heriny i Jehovah, ary zavatra mbola tsy hitan’ny Israelita mihitsy no hitranga. Ho fantatry ny Ejipsianina hoe iza marina i Jehovah. Lasa natanjaka kokoa ny finoan’ny Israelita rehefa tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Vao mainka izy ireo tapa-kevitra hoe tsy hanaraka ny fivavahan’ny Ejipsianina.
Nahoana io fitantarana io no manampy anao hatoky hoe tsy maintsy ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra?