HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Manehoa Fahendrena ka Fidio Tsara Izay ho Vadinao
Tsy naneho fahendrena i Solomona rehefa nanambady vehivavy be dia be nanompo andriamani-kafa (1Mp 11:1, 2; w18.07 18 § 7)
Voatarik’izy ireo hiala tsikelikely tamin’i Jehovah ny fon’i Solomona (1Mp 11:3-6; w19.01 15 § 6)
Tezitra be tamin’i Solomona i Jehovah (1Mp 11:9, 10; w18.07 19 § 9)
Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” ny Kristianina. (1Ko 7:39) Tsy hoe rehefa vita batisa anefa akory ny olona iray dia efa azo alaina ho vady. Eritrereto hoe hanampy anao hanohy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ve io olona io? Efa elaela ve izy no nampiseho hoe tena tia be an’i Jehovah? Makà aloha fotoana hamantarana tsara azy vao manaiky hanambady azy.