FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 31:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Tandremo tsara ny sabatako+ satria izany no famantarana eo amiko sy aminareo, hatramin’ny taranakareo fara mandimby, mba hahafantaranareo fa izaho Jehovah no manamasina anareo.+

  • Levitikosy 21:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Koa hamasino izy,+ satria izy no manolotra ny sakafo ho an’Andriamanitrao. Ary tokony ho masina aminao izy,+ satria masina izaho Jehovah izay manamasina anareo.+

  • Ezekiela 37:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho Jehovah+ no manamasina ny Israely, rehefa ho eo amin’izy ireo mandritra ny fotoana tsy voafetra ny toerako masina.”’”+

  • 1 Tesalonianina 5:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Hanamasina tanteraka anareo anie ilay Andriamanitry ny fiadanana!+ Enga anie ilay toe-tsaina* sy aina* ary vatana iraisanareo ka samy hotehirizina tsy hisy kilema amin’ny lafiny rehetra sy tsy hanan-tsiny amin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika!+

  • 2 Tesalonianina 2:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo anefa izahay, ry rahalahy tian’i Jehovah, satria Andriamanitra nifidy anareo+ hatrany am-piandohana ho amin’ny famonjena. Eny, nifidy anareo izy tamin’ny nanamasinany+ anareo tamin’ny alalan’ny fanahy masina+ sy noho ny finoanareo ny fahamarinana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara